Confidentialité
Hazavainay eto ny informations ampiasain'ny APP MADA, P30 FB sy RHAY Studio, ny antony ilàna azy ary ny fomba hiarovana azy.
Nohavaozina : 30 septembre 2026
1. Informations angonina
Rehefa mamorona compte na mampiasa pass ianao dia mety hotehirizina ireto informations ireto :
- numéro de téléphone sy mot de passe voaaro amin'ny hash;
- session, statut du compte, pass actif ary daty expiration;
- moyen de paiement, montant, référence ary statut de validation;
- format d'export, nom du projet, daty sy statut technique de l'export.
2. Fichier audio sy projet
Ny enregistrement, pistes, projet audio ary fichier exporté dia karakaraina sy tehirizina ao amin'ny appareil-nao. Tsy alefan'ny RHAY Studio any amin'ny serveur APP MADA ny contenu audio-nao rehefa manao export ianao.
3. Fampiasana ny informations
Ampiasaina ireo informations ireo mba hitantanana compte, hanamarina paiement, hampandeha pass sy export, hisorohana fraude, hamahana olana ary hanatsarana ny service.
4. Fitehirizana sy fiarovana
Tehirizina amin'ny services cloud voaaro ny données ilaina amin'ny compte sy paiement. Voafetra amin'ny administrateur nahazo alalana ny accès. Tsy tehirizina amin'ny endrika mazava ny mot de passe.
Tazonina mandritra ny fotoana ilaina amin'ny fonctionnement, sécurité, historique de paiement ary obligations applicables ireo informations.
5. Statistiques sy naoty
Isainay ny fitsidihana ny boutique sy ny tsindry amin’ny bokotra téléchargement. Misy identifiant kisendrasendra tehirizina ao amin’ny navigateur mba hanombanana ny isan’ny navigateur samihafa; hash ihany no alefa sy tehirizina amin’ny serveur, miaraka amin’ny daty sy ny application voakasika. Tsy porofo fa vita ny téléchargement na installation ireo tsindry ireo.
Rehefa manome naoty 1 hatramin’ny 5 ianao dia tehirizina miaraka amin’ny compte APP MADA sy ny application izany. Naoty iray azo ovaina isaky ny compte sy application; ny salan’isa sy ny isan’ny naoty ihany no aseho amin’ny rehetra. Tsy fanamarinana fividianana na fampiasana app ny naoty.
6. Services ivelany
Ny hébergement, base de données, WhatsApp ary Facebook dia manana politique de confidentialité azy manokana. Rehefa manokatra ireo services ireo ianao dia mihatra koa ny règles-ny.
7. Zo sy contact
Afaka mangataka fanazavana, correction na suppression ny compte sy données mifandraika aminy ianao, raha tsy misy obligation mitaky ny hitazonana azy. Mifandraisa amin'ny Support APP MADA amin'ny WhatsApp.
WhatsApp : +261 34 97 429 61 · Facebook : APP Mada
8. P30 FB — données sy fampiasana
P30 FB (package com.appmada.p30fb), novokarin’ny APP MADA, dia mamorona fandaharana publication 30. Ity fizarana ity dia manampy ny règles ankapobeny etsy ambony.
Ny compte dia mampiasa numéro de téléphone, mot de passe voaaro amin’ny hash, identifiant ary jeton de session. Tehirizina ny moyen de paiement, référence, montant sy validation. Ny solde sy historique des crédits dia ilaina amin’ny génération sy fanamarinana fividianana.
Ny brief ampidirinao (activité, niche, marché, objectif, fiteny, offre, consignes sy statistiques omenao), calendrier, recherche ary publication vokarina dia alefa any amin’ny serveur APP MADA ary tehirizina ao amin’ny base mba hamoronana sy hanohizana ny génération. Ny identifiant, daty, statut sy informations techniques dia ilaina amin’ny suivi des crédits sy olana.
9. P30 FB — IA sy prestataires
Mba hitadiavana lohahevitra sy hamoronana publication dia alefan’ny APP MADA any amin’ny API OpenAI ny brief, ary arakaraka ny dingana, ny calendrier, sources de recherche sy publications efa novokarina. Ny recherche web dia mety hampiasa ny brief. Tsy ampidirina ho azy ny numéro, mot de passe sy référence de paiement; nefa ny donnée personnelle soratanao ao amin’ny brief dia tafiditra amin’ny contenu alefa.
Ny appel OpenAI an’ny P30 FB dia mampiasa store:false. Tsy midika izany fa tsy misy conservation mihitsy any amin’ny prestataire: mihatra ny règles momba ny traitement sy sécurité. Aza mampiditra informations sensibles na données an’olon-kafa tsy nahazoana alalana.
Cloudflare no hébergement ny site ary Supabase no services serveur sy base de données. OpenAI no mikarakara ny contenu ilain’ny IA. Mety hokarakaraina ivelan’i Madagasikara ireo données. Raha mifandray amin’ny support amin’ny WhatsApp ianao dia karakarain’ny WhatsApp koa ny hafatrao.
10. P30 FB — conservation sy suppression
Tehirizina ny données momba ny compte, crédits, paiement sy génération mba hampandeha sy hanohizana ny service. Tsy mbola misy délai automatique hamafana ny générations. Ny données ilaina amin’ny sécurité, litige na obligations comptables dia mety hotazonina aorian’ny demande de suppression, ho amin’ireo antony ireo ihany.
Afaka mangataka accès, correction na suppression ny compte APP MADA sy données P30 FB amin’ny support eto ambany ianao. Soraty « Suppression compte P30 FB » sy ny numéro mifandray amin’ny compte; aza mandefa mot de passe. Mety ilaina ny fanamarinana ny identité. Lazao raha données P30 FB ihany na compte APP MADA iray manontolo ampiasaina amin’ny apps hafa no fafana. Ny fichiers exportés ao amin’ny appareil dia ianao no mamafa azy.
Support / Suppression compte P30 FB — WhatsApp : +261 34 97 429 61
OpenAI — Confidentialité · Supabase — Confidentialité · Cloudflare — Confidentialité